Bara

Isambo

Ny Bara dia vondrom-poko malagasy monina any amin' ny faritra atsimo amin' ny lembalemba afovoan' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Ihorombe sy Atsimo Andrefana ary Anosy. Toerana midadasika no misy azy ireo, voafaritry ny renirano Zomandao any avaratra (mampisaraka azy amin' ny Betsileo), ny faritra onenan' ny Tanala any atsinanana, ny ony Onilahy any atsimo-andrefana (mampisaraka azy amin' ny Antandroy sy amin' ny Mahafaly), ary ny havoanan' Analavelona ao andrefana sy avaratra-andrefana. Ny tanàna lehibe any amin' ny Bara dia i Sakaraha, i Ranotsara, Ivohibe, Ihosy, i Ranohira, Ankazoabo, i Betroka ary i Beroroha.

Ny Bara no vondrom-poko lehibe indrindra amin' ny vahoaka mpiompy omby eto amin' ny Nosy ary miaina amin' ny fomba mifindra monina, na dia mitombo aza ny ampahany izay mivelona amin' ny fambolena. Entin-draibe ny fiarahamonina bara ary fanao any amin' ny foko bara sasany ny fanambadian' ny mpihavana sy ny fampirafesana. Mangalatra omby ny tovolahy mba hanaporofoana ny maha lehilahy azy alohan' ny fanambadiana, ary nalaza manerana ny Nosy ny dihy nentin-drazana kilalaky sy ny dihy mifandray amin' ny mpangalatra omby.

Ara-tantara dia voalamina ho fanjakana maro nifandraika tamin' ny andriana avy amin' ny foko Zafimanely ny Bara. Niray saina teo ambany fitarihan' ny mpanjaka tokana izy ireo tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-18 talohan' ny nisaratsarahany ho fanjakana mpifaninana indray. Nandritra ny taonjato faha-19 dia nampitombo ny hareny sy ny fahefany ny fandraisan' ny Bara anjara tamin' ny varotra andevo sy varotra omby ary ny fanafihana tany amin' ny faritany teo akaiky, na dia teo aza ny fikambanana ara-pôlitika nizarazara. Io hery ara-toekarena io no nahafahan' ny Bara nihazona ny fahaleovantenany tamin' ny fanitaran' ny Fanjakan' Imerina fahefana ary nahafahany nanohitra ny fahefana frantsay efa ho folo taona taorian' ny nanombohan' ny fanjanahan-tany tamin' ny taona 1896. Avy amin' ny ny foko Bara i André Resampa, izay mpitarika ara-pôlitika matanjaka tamin' ny tetezamita mankany amin' ny fahaleovanten' i Madagasikara.

Tombanana ho 520 000 ny Bara eto Madagasikara tamin' ny taona 2000[1], izany dia manodidina ny 3 % amin' ny mponina malagasy, ary izy ireo no mpiompy sy mpivarotra omby betsaka indrindra eto amin' ny Nosy.

  1. Appiah, Anthony; Gates, Henry Louis (2010). Encyclopedia of Africa, Volume 2. Oxford, UK: Oxford University Press, p. 158.

Bara

Dodaje.pl - Ogłoszenia lokalne