Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Kritarsia

Ny kritarsia, izay antsoina koa hoe kritôkrasia, dia rafi-pitantanana nataon' ny mpitsara (שופטים / shoftim) tantaraina ao amin' ny Baiboly teo amin' i Israely fahiny nandritra ny fe-potoana voalaza ao amin' ny Bokin' ny Mpitsara. Nanomboka tamin' i Mosesy na Môizy izany, araka ny Bokin' ny Eksôdôsy, talohan' ny nananganana ny fanjakà-mpanjaka tokana teo ambany fitarihan' i Saoly. Fitambaran' ny teny grika roa hoe κριτής / krites ("mpitsara") sy ἄρχω / árkhō ("manapaka") io anarana io. Niitatra ny fampiasana azy io ka nahafaoka ny fitondran' ny mpitsara amin' ity hevitr' ity teny ity ankehitriny ihany koa. Ohatra, ao amin' ny faritr' i Sômalia teo ambany fanapahan' ny mpitsara ao amin' ny fomban-drazana atao hoe xseer, na Icelandic Commonwealth (amin' ny fiteny islandey taloha: Þjóðveldisöld) nandritra ny Andro Antenatenany, izay faripotoana tratra aoriana sy mitoka-monina amin' ny fiarahamonim-fokom-pirenena jermanika tranainy indrindra.


Previous Page Next Page






كريتوقراطية Arabic Critarquia Catalan Kritarchy English Critarquía Spanish کریتارشی FA Krytokratia Finnish Կրիտարխիա HY Kritarsi ID Critarchia Italian Критархија MK

Responsive image

Responsive image