Moraingy

Moraingy

Ny moraingy na morengy dia karazana haiady nentim-paharazana malagasy ampiasana ny hondry sy ny tongotra, tsy ampiasana fitaovam-piadiana hafa. Tamin' ny nanjakan' ny taranaka maroseragna (maroseranana) (taona 1675–1896) tao amin' ny Sakalava any amin' ny morontsiraka andrefan' i Madagasikara no nipoirany. Hatramin' izay dia lasa haiady fanao  eran' i Madagasikara ny moraingy, indrindra any amin' ny faritra amorontsiraka, sady koa niely nankany amin' ireo nosy hafa aty amin' ny Ranomasimbe Indiana toa an' i La Réunion sy i Maiôty sy i Kômôro sy i Seisely ary i Maorisy. Eto Madagasikara dia any amin' ny faritra avaratra sy atsinanana no tena milalao azy[1].

  1. Ny ampahany be amin'ity pejy ity dia naitatra avy amin'ny fandikana ny pejy amin'ny teny anglisy hoe Moraingy.

Moraingy

Dodaje.pl - Ogłoszenia lokalne