Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Rainilaiarivony

Rainilaiarivony Praiminisitra madagasikara

Rainilaiarivony dia praiminisitra tao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara, teraka tamin' ny taona 1828 tao Antananarivo ary maty tamin' ny taona 1896 tany Alzeria. Izy no nandimby ny rahalahiny Rainivoninahitriniony izay praiminisitra talohany nandritry ny telo ambin' ny folo taona.

Amin' ny maha praiminisitra azy dia niaro an' i Madagasikara amin' ny fitsiriritana pôlitikan' ny britanika sy frantsay. Nalaminy sy nataony matihanina ny tafika, nataony tsy maintsy ianarana ny sekolim-panjakana, ary namoaka lalàna mifototra amin' ny lalàna britanika izy. Nofeheziny tsimoramora ny fanao toa ny fanandevozana, ny fakàna vady maro ary ny fandroaham-bady. Namoaka lalàna mikasika ny fivadihan' ny Fanjakana ho kristianina izy tamin' ny andro nanjakan-dRanavalona II. Izy ihany koa no nitondra ny tafika malagasy tamin' ny ady nifanaovan' ny Hova sy ny Frantsay, ary naharo ny firenena hatramin' ny taona 1895. Naesorin' ny Frantsay teo amin' ny toerany i Rainilaiarivony izay natao sesitany any Aljeria frantsay, tany izay niambohoany tamin' ny volana Aogositra 1896.


Previous Page Next Page