Zafimaniry

Tovovavy zafimaniry
Ifasina: tanàna zafimaniry

Ny Zafimaniry dia foko malagasy monina ao amin' ny tapany atsimo-atsinanan' ny faritra afovon' i Madagasikara, izay azo heverina ho zana-pokon' ny Betsileo, nefa mifanakaiky kolontsaina koa amin' ny Tanala. Mipetraka any amin' ireo tendrombohitra misy ala any amin' ny faritra afovoany atsimo-atsimo-atsinanan' Ambositra, eo anelanelan' ny Betsileo sy ny Tanala mifanila aminy, izy ireo. Miisa 100 eo ho eo ny tanànan' ny Zafimaniry, izay mahatratra 25 000 eo ho eo. Izy ireo dia miteny amin' ny fitenim-paritra amin' ny teny malagasy, izay sampan' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana avy amin' ny fiteny baritô any atsimon' i Bôrneô.

Malaza amin' ny fahalalany sy ny kantony amin' ny asa sokitra hazo izy ireo, izay nampidirina tamin' ny taona 2003 tao amin' ny lisitry ny lova ara-kolontsaina tsy azo tsapain-tanana an' ny UNESCO. Efa fahita nanerana an' i Madagasikara io fomba fanaovana hazo io, saingy nihena noho ny fandripahana ala. Heverin' ny mpahay tantara ho fahafantarana ny zava-kanto taloha teto Madagasikara ny zavakanton' izy ireo.


Zafimaniry

Dodaje.pl - Ogłoszenia lokalne