Ny zavamaniry dia zavamananaina mitombo sy miaina ary miteraka fa tsy afaka miala amin' ny toerana iray an-tsitrapo. Amin' ny heviny nentim-paharazana, io teny io dia ilazana zavamananaina izay kely na tsy manana famaliana ny fanairana avy amin' ny tontolo ivelany, ka izany no nahatonga azy taloha hanambatra ny Plantae sy ny ahidrano ary ny holatra. Ao amin' ny sehatry ny siansa, ny teny hoe "zavamaniry" dia tsy manana heviny mazava ary ilay antsoina hoe "Fanjakan' ny Zavamaniry" na Vegetalia dia voan-kevitra efa lany andro.
Araka ny fanasokajiana ara-tsiansa mahazatra taloha, ny zavamaniry ao amin' ny fanjakana Vegetalia dia zavamananaina maro sela eokariôta (Eukaryota) faritana amin' ny fahaizany manao fotôsentezy. Araka ny fiforonan' io teny io, ny Vegetalia dia zavamananaina isan-karazany izay "maniry" izany hoe miaina, misakafo ary mitombo. Raha faritana ho fitambaran' ny zavamananaina fantatra amin' ny anarana hoe "zavamaniry maitso" ireo izay atao hoe Plantae, dia mamorona vondrona mônôfoletika, ahitana ny ahidrano maitso sy ny zavamaniry an-tanety, izay mahaforona ny taksônan' ny Chlorobionta. Anisan' ny zavamaniry noho izany ny Plantae sy ny Algae (ahidrano). Na izany aza, amin' ny hevitra filôjenetika, ary amin' ny fanasokajiana môderina, ny "fanjakan' ny Vegetalia" araka ny hevitr' io teny io nentim-paharazana dia tsy misy intsony, satria mitsinjara amin' ny klady maromaro samihafa, ary ny hoe "zavamaniry" na "vegetal" dia teny manjavozavo ankehitriny ao amin' ny fandalinana siantifika.