Andriamasinavalona dia mpanjakan' Imerina nanomboka ny taona 1675. Andriantsimitoviaminandriandehibe no rainy, ary Rafaravavy no reniny. Andrianjakanavalondralambo na Ralambonandriantsimitovy no anarana nentiny fony izy andriantompombodivona tao Alasora, nanoa an-dRazakatsitakatrandriana zokiny, izay nandimby an-drainy nanjaka tao Antananarivo. Avy amin'ny anarany no nipoiran'ny sokajin'andriana atao hoe Andriamasinavalona, izay ahitana ny ampahan'ny taranany sy ny havany ary olona avy any ivelan'ny foko misy azy.
Tsy nanongana sy nandroaka an-jokiny teo amin’ny fitondrana izy, fa ny vahoaka araka ny hevitra sy ny teti-kadin’Andriamampandry hovalahy mpanolontsaina no nahatonga izany.
Nisy 12 vavy ny vadin’Andriamasinavalona, vokatry ny famoriam-panjakana, ary niteraka 9 lahy sy vavy maromaro izy. Samy tiany hahazo anjara fitondrana kely tsirairay teo amin’ny fanjakana na ny zanany naterany na ny zanaky ny iray tampo aminy ka nahatonga ny fanjakana « menakely » ho marobe. Andrianambonimena, zanak'anabaviny tao Alasora no notendreny handimby azy ho eo amin'ny fanjakana. Anefa, i Andriantomponimerina, zanany tao Ambohidratrimo no nanondrana ka nitana babo an-drainy fotoana maro hanereny azy hanome ny fanjakan’Imerina manontolo. Afaka ihany anefa izy ka afaka niverina nody tao Antananarivo, renivohitry ny fanjakany. Niamboho sy nafenina tao Antananarivo izy tamin'ny taona 1710.Heverina ho naharitra 100 taona ny andro niainany.