Andrianampoinimerina no mpanjaka voalohany tao amin' ny Fanjakan' Imerina voavory indray, ary nankatoavin' ny ankamaroan' ny fanjakana nisy teto Madagasikara ho mpanjakabe. Teraka tamin' ny taona 1745 ary maty tamin' ny taona 1810 izy. Imboasalama no anarany tamin' ny mbola kely. Andriamiharamanjaka no rainy ary Ranavalonandriambelomasina no reniny. Nanambady maro izy ka anisan' izany Rabodonimerina, Rasendrasoa, Rambolamasoandro ary i Miangaly. Radama I zanany no nandimby azy.
Nanjaka tamin' ny taona 1787 ka hatramin' ny taona 1810 izy. Nanamarika ny fanjakany ny famoriany indray an' Imerina taorian' ny ady an-trano nandritra ny 77 taona, ary ny fanitaram-panjakana nanaraka izany tany amin' ny faritra mifanolo-bodirindrina, ka nahatonga ny fampiraisana an' i Madagasikara teo ambany fitondran' ny Merina. Andrianampoinimerina dia olo-malaza eo amin' ny kolontsaina ary ny tantaram-piainany araka ny lovantsofin' ny Merina dia mifangaro angano, ary heverina ho anisan' ny mpitari-tafika sy mpitarika ara-pôlitika lehibe indrindra teo amin' ny tantaran' i Madagasikara.
Andrianampoinimerina dia nandray fahefana rehefa nesorina ny dadatoany, Andrianjafy, izay nanjaka tao Imerina Avaradrano. Talohan' ny nanjakan' Andrianampoinimerina dia nifandona tamin' ny faritany telo hafa mifanolo-bodirindrina tao amin' ny Fanjakan' Imerina teo aloha Imerina Avaradrano, faritany izay niray hina tamin' ny vanim-potoana anjakan' Andriamasinavalona zato taona lasa izay. Andrianampoinimerina dia nanao ny renivohiny tao Ambohimanga izay voaro manda, sady toerana manan-danja ara-panahy sy ara-kolontsaina ary ara-pôlitika izay voatendry ho Lova Iraisam-pirenenan' ny UNESCO tamin' ny taona 2001. Mbola azo tsidihana eny Ambohimanga ankehitriny ny trano fonenan' ny mpanjaka tany am-boalohany.
Avy amin' io toerana io no nanitatra tsikelikely ny fahefany nanerana an' Imerina rehetra tamin' ny voalohany, ary avy eo nanerana ny faritra afovoany lehibe kokoa, ka nitelina ny tanin' ny Betsileo, ny an' ny Sihanaka, ny an' ny Bezanozano ary ny an' ny Bara. Rehefa nanjaka nandritra ny 23 taona Andrianampoinimerina tamin' ny fotoana nahafatesany, dia voavory soa aman-tsara Imerina ary voaitatra be ny Fanjakana Merina, sady nikasa ny hampiray an' i Madagasikara manontolo ho eo ambany fanapahana merina. Notohizan-dRadama I, zanany sady mpandova azy, ny fanitaran-tany natombok' Andrianampoinimerina, ary notanterahin-dRanavalona izany vinavinan-drainy izany tao anatin' ny roapolo taona.