Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Bahaisma

Kintana sivy rantsana ahitana ny soratra izay azo vakina hoe "Yā Bahāʾ al-Abhā" izay midika hoe "Ry Voninahitry ny Be voninahitra indrindra!"

Ny Bahaisma na Baha'isma na Finoana baha'i na Finoana bahay dia finoana abrahamika mahaleo tena nentin' ny irak' Andriamanitra iray antsoina hoe Baha'u'llah. Fivavahana mônôteista ny finoana bahay izay mandala ny maha tokana an' Andriamanitra. Baha'i na Bahay no fiantsoana ny mpanara-dia ity finoana ity, izay fivavahana abrahamika mitory ny maha iray ara-panahy ny olombelona rehetra. Milaza ny tenany ho mpikambana amina "fivavahana mahaleo tena" ny mpino bahay[1] .

Ho an' i Bahay, i Adama, i Abrahama, i Mosesy, i Zaratostra, i Krishna, i Bodà, i Jesoa Kristy, i Mohamady, ny Báb ary i Bahá'u'lláh dia fisehoan' Andriamanitra6.

Ilay Persana Mīrzā Ḥusayn-ʿAlī Nūrī (1817-1892), izay atao hoe Baha'u'llah taty aoriana, no nanorina ny finoana bahay tamin' ny taona 1863. Ny anarana hoe Baha'u'llah dia midika hoe "Voninahitr' Andriamanitra" izay atao amin' ny teny arabo mitovy dika amin' io hoe Bahāʾ-Allāh. Mpianatr' i Bahāʾ-Allāh ny mpino bahay. Manana foibentoerana mihoatra ny 100 000 eran-tany ny finoana bahay, ka ao Haifa any Israely no foibeny fara tampony. Tamin' ny taona 2011 dia niisa 7 000 000 any ho any ny mpino bahay izay avy amin' ny vahoaka na foko miisa 2 100 samihafa miely amin' ny firenena 189[2]. Ao Haifa sy ao Acra any Israely ny ivontoerana ara-panahy, izay nanaovana fivahiniana masina (ziyarat) sady ivontoeran' ny fitantanan-draharaha.

  1. Denis MacEoin, « Personal allegiance and the loss of balance in Babi and Baha’i studies : A response to Moojan Momen’s ‘‘Marginality and Apostasy’’ », Religion,‎ 2008 ([tahiry])
  2. "The Bahá’í World Community" [tahiry]

Previous Page Next Page






Baha’i AF ባኃኢ እምነት AM Bahaísmo AN बहाई धर्म ANP البهائية Arabic بهائية ARY الدين البهائى ARZ বাহাই ধৰ্ম AS Fe Bahá'i AST Bəhailik AZ

Responsive image

Responsive image