Ny Baktiary dia vahoaka iraniana monina any Iràna atsimo. Ny tany onenan' izy ireo dia manana velarana mirefy 75 000 km2, izay any amin' ny tapany atsimo amin' ny tangoron-tendrombohitr' i Zagros eo anelanelan' i Ispahan sy Ahvaz. Miisa eo anelanelan' ny 1 000 000 sy 1 500 000 eo izy ireo. Miteny amin' ny fiteny baktiary, izay endriky ny fiteny lôry, izy ireo.