Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Balkana

Ny Balkana ara-jeografia

Ny Balkana dia mandrono ny firenena ao amin' ny saikanosy atsinanan' i Mediteranea. Ny firenen' ny Balkana dia i Grisy, i Krôasia, i Romania, i Albania, i Masedônia Avaratra, i Serbia, i Môntenegrô, i Bôsnia-Herzegôvina ary i Slôvenia.

Ny anarana hoe balkana dia avy amin' ny teny torka midika hoe "vato malama", ary tamin' ny taonjato faha-19 io teny io no nampiasaina hanondroana ny faritanin' i Bolgaria, ary nampiasaina taorian' io fotoana io ho an' ny saikanosy ao atsimon' i Eorôpa Atsimo-Atsinanana. Hatramin' izay dia niova dika im-betsaka ny teny hoe "balkana". Tamin' ny Ady lehibe voalohany dia nanomboka tamin' ny famonoana ny arkidoka François-Ferdinand tany Sarajevo, any Bôsnia, ny faritanin' ny Balkana dia nolazaina hoe "Vanjan' i Eorôpa", izay midika hoe faritany be ady ara-poko. Taty aoriana ny Balkana dia nanondroana ny firenen' i Iogôslavia taloha.


Previous Page Next Page






Балкантәи адгьылбжьахабжа AB Balkan ACE Balkan AF Balkanhalbinsel ALS ባልካኖች AM Peninsula Balcanica AN Illyricum ANG البلقان Arabic البلقان ARZ বলকান অঞ্চল AS

Responsive image

Responsive image