Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Betsileo

Betsileo miresadresaka

Ny Betsileo dia vondrom-poko lehibe eto Madagasikara, ao amin' ny toerana voafaritry ny ony Mania ao avaratra, ny tanin' ny Tanala ao atsinanana, ny tendrombohitr' Andringitra ao atsimo, ary ny tandavan-tendrombohitr' i Bongolava ao andrefana, izany hoe ao amin' ny Faritanin' i Fianarantsoa. Ireto ny tanàna lehibe ao amin' ny tanin' ny Betsileo: Ambositra, Ambohimahazo, Ambohinamboarina, Fianarantsoa, Ambohimahasoa ary Ambalavao.

Ny fanjakana betsileo samihafa (Betafo, Fandriana, Fisakana, Manandriana, Isandra, sns) dia tsy nifampiankina, ary nanana ny lovantsofiny nanomboka tamin' ny taonjato faha-17. Nisy fifanarahana tamin'ny fanjakana Merina tamin'ny andron'i Andrianampoinimerina. Noravain'i [1]Radama I izay nandova fitondrana. Notafihin-dRadama I izy ireo izay niafara tamin'ny famonoana tao akaikin'Ambalavao, izay tany masina amin'ny Betsileo satria tsy nanaiky ho resy na babo izy ireo fa namono tena. Nisy ampahany amin' ny Betsileo voatery nifindra monina na lasa nanompo ireo izay nandresy azy. Ny Betsileo amin' ny maha-vondrom-poko azy dia nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 ho fizarazarana ara-pitantanan' ny governemanta malagasy.

  1. Lovan-tsofina Betsileo

Previous Page Next Page






Betsileo AF بيتسيليو Arabic بيتسيليو ARZ Бецылеу BE Betsileo Catalan Betsileo German Betsileo people English Betsileot Finnish Betsileos French Betsileo Croatian

Responsive image

Responsive image