Ny Fanjakan' Imerina na Fanjakana Merina izay nanomboka tamin' ny taona 1787 ka nifarana tamin' ny taona 1897, dia fanjaka-mpanjaka nanapaka ny faritra afovoany sy ny faritra maro hafa teto Madagasikara nadritra ny taonjato faha-19. Antananarivo no renivohiny. Taty aoriana io fanjakana io dia nitondra ny anarana hoe Fanjakan' i Madagasikara ary ny mpanjaka nitondra tao dia natao hoe "mpanjakan' i Madagasikara".
Ny Fanjakan' Imerina dia nipoitra tamin' ny andro nanjakan-dRalambo tamin' ny taonjato faha-16, tao amin' ny faritra avaratra-atsinanana amin' Imerina ankehitriny. Ny mpanjaka voalohany, araka ny lovantsofin' ny Ntaolo, dia nanjaka tao Imerina tany amin' ny taonjato faha-12. Tamin' izany fotoana izany, ny faritra andrefana amin' Imerina, izay nitondra ny anarana hoe Imamo, dia fanjakana ihany koa, fa mbola lehibe noho Imerina. Afaka eninjato taona taty aoriana dia lasa tokana ny fanjakan' Imerina tamin' ny andro nanjakan' Andrianampoinimerina tamin' ny faran' ny taonjato faha-18. Tamin' ny andron' Andrianampoinimerina no nipoiran' ny atao hoe "fokontany". Nofoanan' ny Frantsay ny Fanjakana Merina tamin' ny fandresen' ny Frantsay azy tamin' ny ady nifanaovan' ny Merina sy ny Frantsay, atao hoe "Ady Hova-Frantsay", izay nifarana tamin' ny taona 1895, ary lasa zanatany frantsay i Madagasikara, ary i Gallieni no governoran' i Madagasikara tamin' izay.