Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Fararano

Ny fararano no fizaran-taona manaraka ny fahavaratra. Efa manomboka mihena ny orana amin'io, ka izay no nahatonga io fiantsoana azy io. Amin'ny faritra misy fizaran-taona efatra dia izy no fizaran-taona fahatelo, manarakaraka ny fahavaratra sady dimbiasan'ny ririnina. Mihamena na manomboka mihintsana na mihamaina ny ravin-kazo na ny ahitra sasany. Miomana hilevina ireo biby mpilevina ririnina. Manangona ny vokatry ny fambolena tamin'ny fahavaratra ny tantsaha. Mihafohy ny andro ary mihalava ny alina. Mihamihena ny hazavana sy ny hafanana azo avy amin'ny masoandro.

Raha zaraina efatra mitovy ny taona iray dia izao: ao amin'ny ila-bolantany avaratra, dia mahafaoka ny volana Septambra sy Oktobra ary Novambra ny fararano ao amin'ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Marsa sy Avrily ary Mey io fizaran-taona io.


Previous Page Next Page






Ҭагалан AB Бжыхьэ ADY Herfs AF Herbst ALS መፀው AM Agüerro AN خريف Arabic ܬܫܪܝܬܐ ARC خريف ARY خريف ARZ

Responsive image

Responsive image