Fiteny afrikansa Afrika Atsimo | |
Isan'ny mpiteny | |
Faritany | {{{faritany}}} |
Sata | Ofisialy: ![]() , |
Ny fiteny afrikansa dia fiteny nisampana avy amin' ny fiteny neerlandey, tenenina ao Afrika Atsimo. Ny teny hoe afrikaans amin' ny fiteny neerlandey dia midika hoe "afrikanina". Ny mpiteny afrikansa dia ireo mpanjana-tany neerlandey tonga tany Afrika Atsimo, antsoina koa hoe Bôera (Boers), teny midika hoe "tantsaha" na "mpiompy" amin' ny fiteniny. Tsy ny fotsy hoditra fotsiny akory no miteny afrikansa fa ny safiotra ihany koa, indrindraindrindra ao amin' ny faritanin' i West Cape sy North Cape. Ao amin' ny sampam-piteny jermanika ny fiteny afrikansa.