Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Fiteny soahily

Soahily
Kiswahili

Isan'ny mpiteny 50 tapitrisa (L1+L2)
Faritany Afrika Atsinanana
Sata Teny ofisialin'i  Tanzania,  Kenia,  Komaoro,  R.D. Kongo,  Oganda ary ny Vondrona Afrikana
saritan'ny firenena miteny soahily
saritan'ny firenena miteny soahily
Soahily.

Ny fiteny soahily (amin' ny fiteny soahily: kiswahili) dia fiteny ao amin' ny vondrom-piteny banto izay tenenina ao Afrika Atsinanana, izay manafangaro teny afrikanina sy fiteny arabo.

Ao amin' ny teny soahily dia ahitana fiovaovàna araka ny faritra itenenana azy. Ny atao hoe "fiteny soahily ôfisialy", izay fampiasa ao Kenia sy ao Tanzania ary ao Oganda dia teny soahily atsinanana, ary ny teny soahily tenenina any Oganda sy any amin' ny tapany atsinanan' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia fiteny soahily andrefana. Ao Kenia indray dia ahitana ny teny soahily mifangaro amin' ny teny anglisy izay antsoina hoe "sheng". Io fomba fitenenana soahily io dia ampiasain' ny tanora matetika eny amin' ny tanàn-dehibe.

Na dia izany aza, mifankahazo avokoa ny mpiteny soahily amin' ny alalan' ny teny soahily ôfisialy.


Previous Page Next Page