Ny fivavahan-drazana malagasy na ny finoan-drazana malagasy dia fivavahana sy finoana narahin' ny Ntaolo malagasy, ka tafiditra ao amin' ny kolontsaina nentin-drazana malagasy, sady mifototra indrindra amin' ny fivavahana amin' ny Zanahary sy ny fanahin' ny razana ary ny fanajana ny fady. Miovaova isam-paritra ny endriky ny fivavahan-drazana malagasy noho ny fisian' ny singa hafa manampy ireo efa voatanisa etsy aloha ireo.
Mihoatra ny 52 %n' ny mponina no manaraka ny fivavahan-drazana[1] izay fivavahana manantitra ny fifandraisan' ny velona sy ny maty (razana).
Ireto avy ny zavatra inoan' ny Malagasy mandala ny fivavahan-razana ho manana ny hasiny: ny sampy, ny ody, ny hazomanga, ny vatolahy, ny karazan-kazo sasany, ny karazam-biby sasany (toy ny omby). Ireto ny zavatra tsy hita maso nefa inoany fisiana: ny Zanahary, ny fanahin' ny razana, ny kalanoro, ny tromba, ny avelo, ny matoatoa. Mba ho fanajana an' ireo fanahy ireo dia manatanteraka fanatitra sy sorona, ny Ntaolo malagasy. Ho fanajana ireo havany efa maty dia manao famadihan-drazana na manao asa lolo ny Malagasy.
Ny misahana ny fandraharahana ny fifandraisana amin' ireo fanahy tsy hita maso ireo dia ny mpisorona, ny mpitan-kazomanga, ny ombiasa sy ny maro hafa koa. Inoan' ny Ntaolo malagasy ho manana hery miafina manimba ny mpamosavy. Manatona mpanandro koa ny Malagasy, izay mino ny fisian' ny atao hoe vintana, raha hanao zavatra mba hahaizany ny fotoana mety anatanterahany ny zavatra kasainy hatao sy ny fombafomba tokony hatao, ka mety misy ny ala faditra. Manatona mpisikidy koa ny Ntaolo malagasy raha te hahafantatra ny marina ny amin' ny zava-mitranga eo amin' ny fiainany. Ao koa ireo manatona olona misy tromba.