Ny fianakaviam-pivavahana darmika, izay atao hoe fivavahana indiana koa, dia ahitana ny fivavahana teraka tao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana, dia ny hindoisma, ny bodisma, ny jainisma ary ny sikisma mbamin' ny firehana ara-pivavahana nipoitra avy amin' izy ireo, izay manorina ny teôlôjia sy ny filôzôfiany amin' ny atao hoe dharma, teny sanskrita mahafaoka ny hevitry ny hoe "lalàna", "toromarika", "adidy", ary indrindra amin' ny heviny ara-panahy momba ny lalànan' ny voajanahary sy ny zavamisy.
Misy vokany amin' ny fiainan' ny vahoaka ao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana, ao Azia Atsinanana ary ao Azia Atsimo-Atsinanana ny fivavahana darmika. Tsy dia hita ireo fivavahana ireo any ivelan' ireo faritra ireo. Mifandray amin' izy samy izy koa ireo fivavahana ireo.