Ny fizika dia taranja andalinana ny zavaboary, ary ny tanjony dia ny mamantatra ny hetsiny sy ny fiasany.
Avy amin' ny teny grika hoe φυσις / phusis izay midika hoe "zavaboary" na "natiora") ny hoe fizika, izany hoe "siansan' ny zavaboary". Amin' ny hevitr' io teny io ankapobeny na amin' ny heviny voalohany, ny fizika dia fahalalana ny zavaboary; io no hevitra nomen' i René Descartes sy ny mpianany Jacques Rohault sy i Régis ny fizika[1].
Anisan' ny taranja akademika tranainy indrindra fantatra ny fizika. Betsaka ny taranja mampiasa ny siansa fizika, toy ny eketrônika, ny haikintana na koa ny mekanika; nandritra izay roa arivo taona izay, ny fizika dia teny mitovitovy dika amin' ny filôzôfia, ny simia, ary sampan' ny matematika sy ny biôlôjia; fa nandritra ny Revôlisiôna Siantifika tamin' ny taonjato faha-16, ny fizika dia nivoatra ho lasa siansa manokana. Fa na izany aza, amin' ny taranja sasany toy ny fizika matematika na amin' ny simia koantika, dia sarotra avahana ny fetran' ny saham-piasan' ny fizika.