Ny hindoisma dia fivavahana sy filôzôfia ary fomba fiainana mbola be mpanaraka, izay nipoitra tao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana, ka atao hoe Hindoa na Hindo ny mpanaraka azy. Anisan' ny fivavahana tranainy indrindra eran' izao tontolo izao izay mbola misy mpanaraka izy[1]. Voasokajy ho anisan' ny fivavahana darmika ny hindoisma. Ny ankamaroan' ny Hindoa dia mino ny fahefan' ny boky maro atao hoe Veda[2] izay ekeny fa nambara tamin' ny olombelona "tsy araka ny fomban' olombelona" (apauruṣeya)[3] tamin' ny alalan' ilay andriamanitra mpamorona atao hoe Brahmā (na Brahmâ) araka ny fandrenesan' ireo Rishi (izany hoe "mpahita")[4]. Tsy fantatra ny nanoratra ny lahatsoratra ao amin' ireo Veda ireo ary anganongano no ahafantarana ny sasany, tahaka an' i Vyāsa.
Tsy manana mpanorina sy tsy misy andrim-pitantanana voalamina amin' ny fomba ranoray ny hindoisma satria ny mpampianatra ny finoana, atao hoe Brahmana, dia samy manana ny fikambanam-pampianaram-pinoana misy azy[5][6].
Raha hatao hoe "fivavahana" fotsiny ny hindoisma dia tsy tokony hampitovina amin' ny andraisan' ny kristianisma na ny jodaisma ny hoe "fivavahana" satria hafa ny fandaminana hita ao na hatramin' ny ivon' ny fampianaram-pinoany aza[7]. Mampiavaka ny hindoisma ny toetrany izay ahitana fitambarana karazana finoana sy fanao avy amin' ny fivavahana samihafa mifangaro (sinkretisma).
Ny Persiana tamin' ny taonjato faha-5 no nanome anarana ny mponin' ny vinanin' ny renirano Sindo (Indus, amin' ny teny latina) amin' io anarana Hindoa io izay niita-kevitra ka lasa nilazana ny mponin' ny Zana-Kôntinenta Indiana iray manontolo. Avy amin' ny teny sankrita hoe sindhu izay midika hoe "ony" ny teny nogasina hoe hindo izay manondro indrindra ny ony Sindo izany. Tamin' ny voalohany (taonjato faha-5) dia nentin' ny Mozilmana nanondro ny mponina ao amin' ny lemaka eo am-pivarinan' ilay ony any an-dranomasina ny teny persana hoe hindu (izay gasina eto hoe hindoa)[8].
Fitambaran-kevitra filôzôfika nolovaina hatrany alohan' ny nahafantarana ny tantara indiana ny hindoisma[9]. Avy tamina lovantsofina tranainy dia tranainy, izay manakaiky ny atao hoe animisma, ny fampiharana ny hindoisma amin' ny fiainana. Azo zaraina telo ny tantaran' io fivavahana io ka ny hindoisma, araka ny ahafantarana azy amin' izao, no dingana farany taorian' ny vedisma (taona 1500 - 500 tal. J.K.) sy ny brahmanisma (600 tal. J.K. - 500 taor. J.K.)[10]. Ao amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana no tena betsaka mpanaraka ny hindoisma, nefa ahitana azy koa ny toerana ivelan' i India izay ahitana Indiana mpifindra monina toa an' i Afrika Atsinanana sy Atsimo, i Azia Atsimo-Atsinanana, ny vondro-nosy Antilia ary i Angletera.
Misy firehana efatra lehibe ny ao amin' ny hindoisma, dia ny visnoisma (mivavaka amin' ny andriamanitra Vishnu), ny sivaisma (mivavaka amin' i Shiva), ny saktisma (mivavaka amin' i Shakti) ary ny smartisma (mivavaka amin' andriamanitra dimy: Shiva, Vishnu, Durgâ, Surya ary Ganesh na Skanda).
Tamin' ny taona 2015 dia niisa 1 100 tapitrisa any ho any ny mpivavaka manaraka ny hindoisma[11][12] ao amin' ny firenena 85[8]. Izy no laharana fahatelo amin' ny fivavahana be mpanaraka indrindra, aorian' ny kristianisma sy ny silamo. Ny Veda no vondro-boky masiny, izay misy ny ankamaroan' ny fampianarana arahina ao. Tsy fantatra ny nanoratra azy ireo.