Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Ionaivo

Ionaivo dia renirano eto Madagasikara mamorona ny ony Mananara, mirefy 190 km, izay mipoitra ao amn' ny tendrombohitra Sahanasy (mirefy 1 782 km) amin' ny tangorom-bohitra Vohimainty. Avy atsimo mianavaratra aloha izy eo anelanelan' i Kalambatritra (manasaraka ny lohasahany sy ny an' i Onilahy) sy Angolohoma (manasaraka ny lohasahany amin' ny an' Itomampy, izay renirano manondraka an' i Mananara ihany koa), avy eo mihodina an' Angolohoma mianatsimo-atsinanana alohan' ny hivarinany ao amin' ny renirano Menarahaka sy hamorona an' i Mananara.


Previous Page Next Page








Responsive image

Responsive image