Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Islandy

Sainan' i Islandy
Sarin-tany maneho an' i Islandy any Eorôpa

I Islandy dia firenena nosy any Eorôpa, ao amin’ ny Ranomasimbe Atlantika Avaratra, eo atsimo akaikin’ ny Faribolan-tendrontany avaratra. Ny renivohiny dia i Reykjavík. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 103 001 km2 ny velaran-taniny ary niisa 321,857 ny mponina tao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny 12 Febroary 2013. Ny faritr'ora dia +0.

Sarin-tany maneho ny vohon-tanin' i Islandy

I Islandy dia nosin’ afotroa izay ahitana afotroa miisa 200 any ho any ary nmisy saham-petan’ afotroa avy amin’ izy ireo izay mandrakotra ny 10 %n’ ny velaran-tanin’ ilay firenena. Ahitana fitoeran-dranomandry sy farihy madinika ary rian-drano betsaka koa ny any. Ny tany a-morontsirak’ i Islandy dia voatetitetika. Mandrakotra ny 25 %n’ ny velaran-taniny ny lemaka izay manaraka ny morontsiraka. Na dia manakaiky ny faribolan-tedrontany aza i Islandy dia malefaka ny toetaniny noho ny fisian’ ny ranomasimbe, na dia izany aza dia mamirifiry ny hatsiaka.

Ranoray ny mponina any Islandy, izay manam-piaviana nôrdika na tseltika. Ny loteranisma no fivavahana be mpanaraka indrindra any. Manakaiky ny 95 %n’ ny mponina any no monina an-tanàn-dehibe. Ambany dia ambany ny hakitroky ny mponina. I Islandy no manana taham-pahafatesan’ ny zaza ambany indrindra maneran-tany ary ny salan-kaela velon’ ny mponina any no ambony indrindra maneran-tany mahatratra 78 taona ny an' ny lehilahy fa 82 taona kosa ny an' ny vehivavy.

Sarin-tany maneho ny vohon-tanin' i Islandy

Ny jono no seha-pihariana sahanin’ ny ankamaroan’ ny mponina any, izay miantoka ny 80 %n’ ny vola miditra avy amin’ ny fanondranana etana. Voafetra ny fambolena any Islandy noho ny tsy fahampian’ ny tanhy atokana ho an' ny fambolena (1 % amin’ ny tany azo anaovan-javatra). Ny 20 %n’ ny tany anefa atokana hiraofan’ ny biby fiompy (indrindra ny ondry). Manana otrik' angovo lehibe dia lehibe i Islandy ka ny 80 %n’ ny angovo vokarina any dia azo avy amin’ ny tohadrano.

Nanomboka tamin’ ny taona 1993 i Islandy dia nikambana tao amin’ ny Erana ara-Toekarena Eorôpeana (frantsay: Espace Economique Européen -- EEE). Tsy manana tafika ity firenena ity afa-tsy ny mpiandry morontsiraka izay miisa 130 fotsiny.


Previous Page Next Page






Исландиа AB Islandia ACE Ysland AF Island ALS አይስላንድ AM Iceland AMI Islandia AN Island ANG Aisilan ANN आइसलैंड ANP

Responsive image

Responsive image