Ny kafe dia zavamaniry, karazan-kazo, izay volen' ny olona mba hahazoana voany hanamboarana zava-pisotro ata hoe kafe ihany koa. Mahatratra 80 ny karazan-kafe ka ny sasany tena hazo avo fa ny sasany indray hazo madinika. Any amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehintany aty Afrika sy any Azia no fiavian' ny kafe. Coffea L. ny anarany ara-tsiansa. Roa karazana ny kafe tena fambolin' ny olona, dia ny Coffea arabica et Coffea canephora. Misy ihany ny maboly ilay karazana atao hoe Coffea liberica.