Ny Kosita na Kositika na ny vahoaka kositika dia ireo mpiteny ny fiteny kositika, sampana ao amin' ny fianakaviam-piteny hamitô-semitika (na afrô-aziatika), izay monina indrindra any amin' ny Tandrok' i Afrika (Etiôpia, Sômalia, Jiboty ary Eritrea) sy amin' ny morontsiraky ny Ranomasina Mena, hatrany Sodàna ka hatrany atsimo-atsinanan’ i Ejipta.
Ilay Arabo jeôgrafia ata hoe Al-Mas'ûdî (taona 896-956) dia nihevitra ny vahoaka kosita, izay ahitana ny Sômaly, ny Afara, ny Beja, ny Ôrômô , ny Sidama, ny Afara, ny Agao, ary foko maro hafa, ho taranak' i Kosy any amin' ny boky Sahalam-bolamena sy fitrandraham-bato sarobidy.
Heverina fa mponina maro efa lany tamingana no niteny amin' ny fiteny kositika. Ny porofo ara-piteny maro dia maneho fa ny vahoakan' ny Fanjakan' i Kerma (fanjakan' i Kosy voalohany) any amin' ny tapany atsimon' i Ejipta sy amin' ny faritra avaratr' i Sodàna dia niteny kositika. Ny fiteny nobiina (nobiana) ankehitriny dia misy teny fototra maromaro mifandraika amin' ny fiompiana andiam-biby izay manam-piaviana kositika, toy ny teny midika hoe "ondry/hoditr' osy", "akohovavy/akoholahy", "valam-biby", "dibera" ary "ronono". Izany dia manondro fa ny mponina ao Kerma dia niteny fiteny afrô-aziatika tany am-boalohany.