Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Kristianisma eto Madagasikara

Fiangonana katôlika ao Antsirabe

Ny kristianisma eto Madagasikara dia iray amin' ny fivavahana arahin' ny mponin' i Madagasikara, indrindra ny Malagasy, ankoatry ny fivavahan-drazana sy ny finoana silamo sy ny hafa koa. Ny 41 %n' ny Malagasy dia Kristiana, araka ny tatitry ny US Departement of State tamin' ny taona 2011[1]. Hita ao ny sampan' ny fivavahana kristiana toy ny Fiangonana nohavaozina sy ny Fiangonana loterana sy ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana adventista sy ireo Fiangonana evanjelika tsy mitsaha-mihamaro. Miezaka ny hampitombo isa ny fiangonany ny Ôrtôdôksa sy ny Anglikana sy ny hafa koa. Tamin' ny taona 1963 hatramin' ny 2004 dia niisa 72 ny "fikambanana ara-pinoana" voasoratra ao amin' ny lisitra ôfisialy tanan' ny fanjakana malagasy[2]. Manodidina ny 200 any ho any ny isan' ny karazam-piangonana eto Madagasikara tamin' ny taona 2020, ka ny ankamaroan' ireo dia fiangonana vao niorina taty afara, dia ireo fiangonana evanjelika na ara-pilazantsara sy pentekôtista.

  1. Bureau of African Affairs (3 May 2011). "Archived Septambra 2, 2011 at the Wayback Machine". U.S. Department of State. (tahiry 24/08/2011).
  2. Sophie Blanchy, Jean-Aimé Rakotoarisoa, Philippe Beaujar, Chantal Radimilahy (dir.), Les dieus au service du peuple, 2006, p.92.

Previous Page Next Page






المسيحية في مدغشقر Arabic Christianity in Madagascar English Kristinusko Madagaskarilla Finnish Christianisme à Madagascar French Kekristenan di Madagaskar ID

Responsive image

Responsive image