Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Lohataona

Niely tany amin'ny firenena maro ny fomba amam-panao Arzantina manome voninkazo mavo amin'ny andro voalohan'ny lohataona ho mariky ny fifaliana, hery ary fanantenana.

Ny lohataona no fizaran-taona voalohany amin' ny taona. Amin' ny faritra misy fizaran-taona efatra dia mandimby ny ririnina izy sady dimbiasan' ny fahavaratra. Amin' ny lohataona no manomboka mitsiry sy maniry avokoa ireo zava-maniry nihintsan-dravina nandritra ny ririnina. Mitombo ny halavan' ny andro ary mihena ny an' ny alina. Betsaka ny hazavana sady mihamafana ny andro nefa tsy mbola misy na betsaka ny orana.

Raha zaraina efatra mitovitovy ny taona iray dia izao: ao amin' ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Marsa sy Avrily ary Mey ny lohataona fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Septambra sy Oktobra ary Novambra izany.


Previous Page Next Page






Ааԥын AB Lente AF Frühling ALS ፀደይ AM Kacanglahan AMI Primavera AN Lencten ANG ربيع Arabic ܬܕܐܐ ARC ربيع (فصل) ARY

Responsive image

Responsive image