((mg)) | |||||
((mg)) | |||||
Repoblikan'i Madagasikara ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Fitiavana, Tanindrazana, Fandrosoana | |||||
Teny ofisialy | malagasy frantsay | ||||
Renivohitra | Antananarivo 18°54′57″S 47°31′18″E / 18.91583°S 47.52167°E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Antananarivo | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiminisitra |
Repoblika Andry Rajoelina Christian Ntsay | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 46 587 040 km² 0,95 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2010) - hakitroka |
faha 53 22,005,222 mpo. 36.25 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Malagasy | ||||
Sandam-bola | Ariary (MGA )
| ||||
Faritr'ora | UTC +3 | ||||
Hiram-pirenena | Ry Tanindrazanay malala ô | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+261
|
I Madagasikara na Repoblikan' i Madagasikara dia firenena ao amin' ny tapany andrefana amin' ny Ranomasimbe Indianina, eo atsinanan' i Afrika sady anisan' ity kôntinenta ity. Izy no nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany. Antananarivo no renivohiny. Manana velarana mirefy 587 000 km2 izy ary manana sakany mirefy 580 km sy lavany mirefy 1 580 km. Atao hoe Malagasy ny vahoakan' io firenena io.
Toerana fonenan' ny 5 %-n' ny biby sy ny zavamaniry misy eto amin' izao tontolo izao; ka mihoatra ny 80 %-n' ireo dia izy irery ihany no manana azy eto an-tany. Voasokajy ao anatin' ireo ny gidro isankarazany, ny fosa, ny fianakaviam-borona telo sy zava-maniry toy ny zaha na renala izay ahitana sokajy karazany valo, anisan' izany ny enina tsy hita amin' ny toeran-kafa.
I Madagasikara dia nipoitra tamin' ny fiparitahan' ny kôntinenta Gondwana 35 tapitrisa taona tal. J.K.: i Madagasikara sy i India dia nisaraka tamin' i Afrika ary 50 tapitrisa taona taty aoriana dia nisaraka tamin' i India i Madagasikara ary nitokana teo hatramin' izao fotoana izao. Misy faritra ekôlôjika maromaro eto Madagasikara ary mihakely dia mihakely ireo faritra ekôlôjika ireo noho ny asan' ny olombelona (tavy, fandringanana ny ala, fihazana ny biby); ankehitriny dia 95 %-n' ny ala taloha no voaringana.
Araka ny arkeôlôjia dia tonga teto tamin' ny taona 300-500 taor. J.K. ny olona voalohany indrindra tonga teto Madagasikara. Ireo mponina ireo dia Aostrônezianina avy any Bôrneô, any Indônezia. Tonga 700 taona taty aoriana ny vahoaka Banto izay niampita ny Lakandranon' i Môzambika, ny Arabo avy any avaratra, ny Indiana ary ny Sinoa. Tamin' ny taonjato faha-17 dia nanomboka nanjanaka ampahan-tany tao Madagasikara ny Frantsay (Fort-Dauphin, Diego-Suarez).
Samy manana ny anjarany ao amin' ny fiainana ara-kolontsaina malagasy ankehitriny ireo mponina niorim-ponenana teto Madagasikara ireo.
Nandritra ny taonjato faha-19 dia voazanaky ny Fanjakan' i Madagasikara (fanjakana merina) ny ampahany be amin' ny nosin' i Madagasikara; izany fanjakana izany dia naongan' ny fanafihan' ny Frantsay tamin' ny taona 1895. Tafapetraka tamin' ny 10 Ôktôbra 1958 ny governemanta malagasy voalohany taorian' ny fanjanahan-tany frantsay, ary tamin' ny taona 1960 no nambara ampahibemaso ny fahaleovantenan' i Madagasikara taorian' ny tolon' ny tia tanindrazana. I Madagasikara no anisan' ny firenena voalohany nahazo fahaleovantena tao amin' ny faritry ny Ranomasimbe Indianina ary anisan' ny voalohany indrindra amin' ny faritra atsimo aty Afrika. Izany anefa tsy nahatonga azy ho anisan' ny firenena voalohandohany afaka amin' ny fahantrana noho ny fitavozavozan' ny fitantanana ny firenena hatramin' ny nahazoany ny fahaleovantena.