Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Mangoro

Mangoro

I Mangoro dia onin' i Madagasikara, izay mivarina miantsinanana ao amin'ny Ranomasimbe Indiana eo anelanelan'i Salehy ao avaratra sy i Ambodiharina ao atsimo, sady manana halavana 300 km. Ao avaratra atsinanan' Anjozorobe, faritra Analamanga, no misy ny fipoirany, manana haambo 1 100 m any ho any. Manompo azy ny renirano Onive (ao akaikin'i Sandranadra, 200 km miala ny loharano) sy Nosivolo. Noho ny fisian'ny renirano maro manompo azy dia tsy mety mihena ambany ny ranon'i Mangoro. Ireto avy ny toerana manakaiky ny fandalovany ao Betamotanoː Ambodiramiavona, Andovolalina, Ampasimadinika, Sakalava, Maromitety II, Sandranandra, Antrandrokomby, Sahampasina, Ambatomaro, Ampasimaneva, Manakana, Antseranambe, Ambohibakoka, Ankarefo, Ambohitraivo, Antanifotsy ary Ambodifano. Eo amin'ny fivarinany any an-dranomasina izy dia iampitan'ny lalam-prenena faha-11.

I Mangoro any an-dranomasina.

Previous Page Next Page