Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Meksika

Mexihco Tlacetililli Tlahtohcayotl ((nah))
((nah))
Estados Unidos Mexicanos
Etazonian'i Meksika ((mg))
sainan'i Meksika Fanevan'i Meksika
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : tsy misy
Teny ofisialy Espaniola
Renivohitra Mexico
19° 0′ N, 99° 0′ O
Tanàna ngeza indrindra Mexico
Fitondrana sy governemanta
 - Filohan'i Meksika
Repoblika federaly
Claudia Sheinbaum
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 13
1 972 550 km²
2,5
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 11
106 682 500[1] mpo.
54 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Meksikanina
IDH (2004) 0,821 (ambony) faha 53[2]
Sandam-bola Peso Meksikanina ($) (MXN)
Faritr'ora UTC -7 à -9
Hiram-pirenena Himno Nacional Mexicano
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+52

Ny Meksika, azo antsoina ihany koa hoe Fanjakana mivondron' i Meksika, dia firenena any Amerika Avaratra izay faritan' i Etazonia avaratra sy i Beliza sy i Goatemala any antsimo. Miisa 107 tapitrisa ny ny mponina any Meksika (20 tapitrisa ao amin' ny tanànan' i Mexico renivohitra).

Ny vohon-tany any Meksika dia manasongadina lembalemba midadasika be tendrombohitra; miorina any amin' ny 2 200 m ambonin' ny haabon' ny ranomasina i Mexico renivohitra. Misy volkano maro ny ao amin' io firenena io. I Rio Grande no ony lava indrindra any: io ony io no ampahany be amin' ny sisintany manasaraka azy amin' i Etazonia.

Vondrona lehibe telo no mandrafitra ny mponin' i Meksika: ny Meksikana manam-piaviana espaniôla sy ny Amerindiana ary ny Safiotra (Mestizos) avy amin' ny fifanambadian' ny Espaniôla sy ny Amerindiana. Ny ankabetsahan' ny mponina (75 %) dia mipetraka an-tanàn-dehibe; ny vangongon-tanànan' i Mexico (izay anisan' ny lehibe indrindra eran-tany) irery dia onenan' ny 17 % amin' ny mponina ao Meksika. Maherin' ny 93 % amin' ny mponina no katôlika.

I Meksika no firenena faha-10 manan-karena indrindra eran-tany. Betsaka sy isan-karazany ny loharanon-karena voajanahary ao aminy, ka anisan' izany ny solitany (i Meksika no mpamokatra faha-6 lehibe indrindra eran-tany), ny etona voajanahary, ny arintany, ny vy, ny volamena, ny volafotsy.

Tantaran' ny sivilizasiôna malaza nisy talohan' ny nahatongavan' i Christophe Colomb tany Amerika aloha ny tantaran' i Meksika, anisan' izany ny Ôlmeka (vahoaka), ny Maia (vahoaka), ny Tôlteka (vahoaka) ary ny Azteka (vahoaka). I Francisco Fernández de Cordóba, mpikaroka tany vaovao, no Eorôpeana tonga tany Meksika voalohany. Zanatany espaniôla nanomboka tamin' ny taona 1535 i Meksika.

Nahazo ny fahaleovan-tenany i Meksika firenena ity tamin' ny taona 1821. Tamin' ny faran' ny Ady nifanaovan' i Meksika sy Etazonia (taona 1846-1848), dia nomen' i Meksika an' i Etazonia i California sy i Nouvelle-Mexique ary i Texas. Avy eo dia nifarana tamin' ny faharesen' i Frantsa ny "Ady tany Meksika" (taona 1861-1867); na izany aza dia tena tanjona ara-pôlitika lehibe tany Amerika ho an' ny emperora Napoléon III i Meksika.

Nipoaka ny Revôlisiona Meksikana tamin' ny taona 1911: i Emiliano Zapata sy i Pancho Villa no nitarika izany. Tamin' ny taona 1992, dia nanao sonia ny Fifanarahana momba ny Varotra Malalaka Amerikana Avaratra (Accord de libre-échange nord-américain na Alena) niaraka amin' i Etazonia sy i Kanada i Meksika: anisan' ireo faritra ara-barotra lehibe indrindra eran-tany izany.

  1. INEGI,Consulta de resultados. Numeralia (Publicaciones contenido general sobre el país), http://www.inegi.gob.mx/est/contenidos/espanol/proyectos/integracion/inegi324.asp?s=est&c=11722#tres, novangiana tamin'ny 23 Jiona 2008
  2. The 2006 Human Development Report, http://hdr.undp.org/hdr2006/report.cfm, novangiana tamin'ny 10 jolay 2007

Previous Page Next Page






Мексика AB Mèksiko ACE Мексикэ ADY Meksiko AF Mexiko ALS Мексика ALT ሜክሲኮ AM Mexico AMI Mexico AN Mexico ANG

Responsive image

Responsive image