Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Namibia

Republic of Namibia ((en))
{{{nom_malgache}}} ((mg))
Sain'i Namibia Mari-piandrian'i Namibia
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny ofisialy anglisy[1]
Renivohitra Windhoek
22°33′47″S 17°04′43″E / 22.563056°S 17.078611°E / -22.563056; 17.078611
Tanàna lehibe indrindra Windhoek
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Praiminisitra
Repoblika
Nangolo Mbumba
Saara Kuugongelwa-Amadhila
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 34
825 418 km²
Azo tsy raharahiana
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 142
2 088 669 mpo.
2,5 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Namibianina, namibiana
Sandam-bola Dollar namibiana (NAD)
Faritr'ora UTC +1 (heure d'été +2)
Hiram-pirenena Namibia, Land of the Brave
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+264

I Namibia na Repoblikan' i Namibia dia firenena ao amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika, manana velaran-tany mirefy 824 269 km², manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. Atao hoe Namibiana ny vahoakan' io firenena io. Ny firenena mamaritra an' i Namibia dia i Angôla any avaratra, ny Repoblikan' i Afrika Atsimo any atsimony, i Bôtsoana any atsinany ary i Zimbaboe sy i Zambia any avaratra-andrefany.

Ny renivohiny dia i Windhoek, renivohitry ny zanatany alemàna tamin' ny faritr' i Afrika Atsimo-Andrefana taloha. Ny dikan' ny teny hoe Windhoek amin' ny fiteny afrikansa dia "toerana tsofin' ny rivotra". Telo hetsy eo ho eo ny isa-mponina any Windhoek, izany hoe eo amin' ny 10 %n' ny mponina manontolo eo ho eo.

Atao hoe Namibia na Republic of Namibia izy amin' ny fiteny anglisy, Namibia na Republik Namibia amin' ny fiteny alemàna ary Namibië na Republiek van Namibië amin' ny fiteny afrikansa.

Sarin-tanin' i Namibia

Ny faritra misy an' i Namibia ankehitriny dia nitondra ny anarana hoe Afrika Atsimo-Andrefana, zanatany alemàna, ary taty aoriana prôtektôratan' i Afrika Atsimo. Firenena mahaleotena i Namibia hatry ny 21 Martsa 1990.

Mizara faritra ara-jeôgrafia telo ny tanin’ i Namibia, dia ny tany efitr’ i Namib izay manaraka ny morontsiraky ny Ranomasimbe Atlantika, ny lembalemba afovoany izay manana haavo 1 000 m sy 2 000 m, ary ny tany efitr’ i Kalahari ao amin' ny sisin-tany atsinanana. Ony no manasaraka an' i Namibia amin' ireo firenena manodidina azy, ohatra: ny ony Orange manasaraka azy amin' i Afrika Atsimo, ny ony Zambeze amin' i Zambia. Manana toetany maina sy antonony i Namibia, karankaina any amin' ny tapany atsimo. Ny lembalemba afovoany dia rakotra hivoka anirian-kazo, fa ny avaratra kosa dia misy alabe. Ahitana biby isan-karazany ity firenena ity, ka anisan' izany ny elefanta, ny jirafa, ny liona, ny tokantandroka ary ny zebra.

Manana harenan an-kibon' ny tany betsaka i Namibia, ka hita ao, ohatra, ny diamondra, ny fanitso, ny firamainty, ny oranioma ary ny varahina) izay loharanon-karena voalohany (miantoka ny 65 %n' ny fanondranana entana). Be mpanjono koa ny vahoaka namibiana.

Kristiana ny ankamaroan' ny mponina ao Namibia. Maro ihany koa ireo manaraka ny fivavahan-drazana animista. I Namibia dia anisan’ ireo firenena misy mponina kely hakitroka indrindra aty Afrika (3 mp/ km²). Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy any Namibia sady mikambana ao amin' ny Commonwealth ity firenena ity.

  1. Andininy fahatelon'ny lalampanorenana

Previous Page Next Page






Намибиа AB Namibia ACE Намибие ADY Namibië AF Namibia ALS ናሚቢያ AM Namibia AMI Namibia AN Namibia ANG Namibia ANN

Responsive image

Responsive image