Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Nizera

Sainan' i Nizera

I Nizera na Nijera dia firenena ao Afrika Andrefana, tsy manana morontsiraka, manana velarana mirefy 1 267 000 km². I Niamey ho renivohiny. Atao hoe Nijeriena na Nizeriena ny vahoakan' io firenena io.

Ny misy an' i Nizera ao Afrika

Ny sisintanin' i Nizera dia nofaritan' ny mpanjanatany ka somary mahitsihitsy tsy manaraka soritra voajanahary. Mamaritra azy ao avaratra i Aljeria sy i Libia, avy ao atsinanana i Tsady, avy ao atsimo i Nizeria sy i Benîno, ary avy ao andrefana i Borkina Fasô sy i Malý.

Sarin-tanin' i Nizera

Mizara faritra ara-jeôgrafia telo i Nizera: ny faritra amin' ny tany efitr' i Sahara ao avaratra anjakan' ny tangorom-bohitr' i Air izay tsy ahitana zavamaniry firy, ny faritra ao amin' i Sahel izay tany somary karankaina, ary ny lohasahan' ny ony Niger ao atsimo izay hany faritra lonaka ao amin' io firenena io. Toetany mafana sy maina no manjaka ao Nizera.

Ny ankamaroan' ny mponina any dia Miozolmana fa ny Kristiana kosa dia vitsy anisa. Any amin' ny faritra atsimo no ahitana ny ankabetsahan' ny mponin' i Nizera, ao amin' ny faritra ambanivohitra indrindraindrindra. Ny fambolena no loharanon-karena voalohany any Nizera.

Faritra ao Nizera

Zanatany frantsay taloha i Nizera izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1960.


Previous Page Next Page






Нигер AB Niger ACE Нигер (къэрал) ADY Niger AF Niger ALS ኒጄር AM Niger AMI Nícher AN Nijê ANN नाइगर ANP

Responsive image

Responsive image