Україна / Ukraïna ((uk)) | |||||
((uk)) | |||||
Okraina ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Воля, Злагода, Добро (Volja, Zlahoda, Dobro) Ukrainien : Liberté, Accord, Bonté | |||||
Teny ofisialy | Fiteny Okrainianina | ||||
Renivohitra | Kiev [Kyïv] 50°28' N 30°29' E | ||||
Tanana ngeza indrindra | Kiev | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Praiministra |
fitondrana ara-piloha an-tapany Volodymyr Zelensky Denys Shmyhal | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 44 603 700 km² Négligeable | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 26 45 994 287 mpo. 76 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Okrainianina | ||||
IDH (2006) | 0,786 (moyen) faha 82[1] | ||||
Sandam-bola | Hryvnia (UAH )
| ||||
Faritr'ora | UTC +2: (EET); | ||||
Hiram-pirenena | Šče ne vmerla Ukraïna Fiteny okrainianina : Mbola tsy maty i Okraina | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+380
|
I Okraina dia firenena any Eorôpa Atsinanana, izy no firenena ngeza indrindra any Eorôpa eo aorian' i Rosia. Manana morontsiraka any atsimony eo amin' ny Ranomasina Mainty izy. Mizara sisin-tany amin' i Rosia izy any atsinanana, amin' i Bielôrosia any avaratra ary amin' i Pôlônia, i Slôvakia, i Romania, i Hôngria, i Môldavia any andrefana. Atao hoe Україна / Ukraina /ukrɑˈjinɑ/ izy amin' ny teny okrainiana.
Lemaka midadasika misy tany mainty lonaka ny ankabezan’ ny taniny. Any andrefana no manerinerina ny Tandavan-tendrombohitra Karpatiana. Any atsimo, ny Saikinosy Krimea izay manasaraka ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasin' i Azov. Ny renirano lehibe ao amin' io firenena io (Dniepr, Dniestr, Danube, Donets ary Bug Atsimo) dia mikoriana mianatsimo any amin' ny Ranomasina Mainty.
Saika ny ampahefatry ny mponina ao Okraina dia vahoaka vitsy anisa: ny lehibe indrindra dia ny Rosiana (mihoatra ny 17 %). Ny kristianisma ôrtôdôksa no fivavahan' ny maro anisa any.
Raha nantsoina hoe "sompitry ny varimbazahan' ny Firaisana Sôvietika" i Okraina taloha dia niatrika olana ara-toekarena lehibe izy taorian' ny fahaleovan-tenany. Seha-pihariana manan-danja any ny fambolena. Manana harena an-kibon' ny tany (vy sy arintany ary manganezy) sy indostria matanjaka i Okraina. Nisy fiantraikany ratsy indrindra teo amin' ny mponina sy ny tontolo iainana ny fipoahan' ny toby nokleary Chernobyl na Tchernobyl tamin' ny taona 1986.
Repoblika sôsialista sôvietika taloha tao amin' ny Firaisana Sôvietika i Okraina izay nahaleo tena nanomboka tamin' ny taona 1991. Mpikambana mpanorina ny Fikambanan' ny Fanjakana Mahaleo Tena izy nefa niala avy ao tamin' ny taona 2018.