Ny tovona dia hasin-teny anisan' ny sokajin' ny tsirinteny izay fametraka eo alohan' ny fototeny. Ahazoana sampan-teny na manova ny hevitra ara-pitsipiteny ny fanasiana tovona amin' ny teny iray. Mety mampisy fiovana kely ny endriky ny fototeny na ny tovona, na izy roa, ny fanakambanana azy roa ireo.