Ny tsirinteny dia hasin-teny tsy mahaleo tena araikitra amin' ny fototeny mba hanehoana ny anjara asany na ny sokajin-teny misy azy na hanovana ny heviny. Raha ny toerana ametrahana ny tsirinteny no heverina dia misy ny tovona izay fametaka eo alohan' ny fototeny, misy ny tovana izay fametaka ao aorian' ny fototeny ary misy ny tsofoka izay fanisika ao anaty fototeny. misy koa ny atao hoe tsirinteny sara-droa izay tsy inona fa tovona sy tovana tsy maintsy ampiasaina miaraka.