Ny tsofoka dia hasin-teny anisan' ny sokajin' ny tsirinteny izay fanisika ao anatin' ny fototeny na ny hasin-teny hafa ka mizara izany ho roa. Ahitana fampiasana tsofoka ny fiteny aostrôneziana (toy ny fiteny malagasy, indôneziana, maley, tagalôga, sondaney, javaney), ny fiteny semitika (toy ny fiteny arabo), ny fiteny indô-eorôpeana sasany (toy ny fiteny sanskrita, grika taloha, latina), ny fiteny aostrôaziatika (toy ny fiteny kmera)