Ny vondrom-paritra dia fizaràn' ny tanim-pirenena, manana ny sata maha izy azy araka ny lalàna sady fehezin' ny lalàm-panjakana, mampiasa ny fahefana sasany natolotry ny fanjakana foibe azy eo amin' ny fizaran-taniny sady mananana ny fizakan-tenany ara-bola sy ara-pitantanana, araka ny dingan' ny fitsinjaram-pahefana. Mety ho kaominina na tanàna, na departemanta, na faritra, na faritany, sns ny vondrom-paritra.