Ny andriana dia sarangan' olona farany ambony tao amin' ny fanjakana maro teto Madagasikara izay nisongadina indrindra tao amin' ny fanjakana merina, izay nipoiran' ny olona hatao mpanjaka. Tao amin' ny fanjakana merina, ny saranga lehibe telo hafa manampy azy io dia ny hova ny mainty sy ny mpanompo (na andevo). Amin' izao fotoana izao dia mbola misy ireo olona atao hoe andriana sy taranak' andriana ao Antananarivo sy ny vohitra manodidina. Ny fampiasana ny teny hoe "Andriana" ho enti-milaza andriana dia hita amin' ny vondrom-poko malagasy maro hafa toy ny Betsileo, ny Betsimisaraka, ny Bezanozano, ny Antambahoaka ary ny Antemoro.