Ny Antambahoaka na Tambahoaka dia vondrom-poko ao amin' ny morontsirana atsimo-atsinanan' i Madagasikara, tsy lavitra an' i Mananjary, manakaiky ny Betsimisaraka ao avaratra, ny Tanala ao andrefana, ny Antemoro ao atsimo. Ny Antambahoaka no foko vitsy indrindra eto Madagasikara, niisa teo amin' ny 50 000 eo izy ireo tamin' ny taona 2013[1]. Misy amin' izy ireo ny mitovy fiaviana arabo amin' ny Antemoro[2], izay nisarahany tany amin' ny taonjato faha-15 tamin' ny andron-dRavalarivo. Tsy dia fantatra loatra momba ny tantaran' ity vondrona ity taorian' ny nananganana azy. Ny fitondran' ny raibe sy ny fanajana ny razana ary ny fady no ivon' ny fiarahamonin' ny Antambahoaka. Mpanjono an-dranomasina sy an-drenirano ary am-parihy ny Antambahoaka. Ny ankamaroany dia manao asa fiompiana madinika ary ny hafa misahana fambolena toy ny kafe[3].
Ny Antambahoaka dia miteny fitenim-paritra amin' ny teny malagasy, sampan' ny vondrom-piteny malaiô-pôlineziana avy amin' ny fiteny baritô any atsimon' i Bôrneô.
Malaza ao amin' ny Antambahoaka ny fetin' ny sambatra, izay fombafomba fanao isaky ny fito taona. Ranoray be ny fiarahamonin' izy ireo izay ahitana fifindra-monina kely any ivelany sy fahatsapana ambony ny maha-izy azy. Misy fady hatry ny ela izay mandrara ny fitaizana zaza kambana ka mahatonga azy ireo hovonoina avy hatrany rehefa teraka na avela ho faty any anaty ala. Ny fikambanana mpiaro ny zon' olombelona sy ny governemanta malagasy dia miasa amin' ny fanohanana ny zaza kambana sy ny ray aman-dreniny amin' ny ezaka hampitsaharana ity fomba ity.