Our website is made possible by displaying online advertisements to our visitors.
Please consider supporting us by disabling your ad blocker.

Responsive image


Felan-dravina

Sarin-dravina misy soratra amin' ny teny frantsay: limbe (felan-dravina), pétiole (tangozan-dravina), stipule (sofin-dravina), base foliaire (foto-dravina)

Ny felan-dravina na pela-dravina dia ampahany amin' ny ravina mipetaka eo amin' ny faran' ny tangozan-dravina. Mivelatra be amin' ny ankapobeny ity ampahany amin' ny ravina ity ary misy sela fôtôsintetika maro, satria io no taova mety indrindra amin' ny fakana angovon-kazavana. Mety mitohy mankany amin' ny tangozan-dravina ny felan-dravina.

Afaka mampitodika ny pela-dravina ny zavamaniry sasany, arakaraka ny fiposahan' ny tara-masoandro, mba hampitomboana ny taratra na hamerana voaray. Izany no toetran' ny akasia (Acacia) maro.


Previous Page Next Page






Limbo foliar AN Limbe Catalan Čepel listová Czech Foliplato EO Limbo foliar Spanish Lehelaba ET Lehtilapa Finnish Limbe foliaire French Limbo foliar GL 葉身 Japanese

Responsive image

Responsive image