I Rainivoninahitriniony (1824-1868) dia mpitondra fanjakana, praiminisitra tao amin' ny Fanjakan' i Madagasikara tamin' ny taona 1852 ka hatramin' ny 1861, niaraka tamin' Andrianisa Rainijohary, avy eo izy irery tamin' ny 1861 ka hatramin' ny 1864. Rainivoninahitriniony, izay Raharo no anarany tany am-boalohany, no nandimby an-dRainiharo rainy tamin' io andraikitra io, tamin' ny naha lehiben' ny Hova Tsimiamboholahy.